Content-Length: 68229 | pFad | https://mg.wikipedia.org/wiki/Sederan%27_ny_Paska

Sederan' ny Paska — Wikipedia Aller au contenu

Sederan' ny Paska

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sederan' ny Paska na Sedera dia fombafomba ao amin' ny fivavahana jiosy mifamatotra amin' ny hevitra ara-tandindona miaraka amin' ny fetin' ny Paska jiosy, izay mikendry ny fampiainana ny mpandray anjara, indrindra ny zaza, ny fahazoana tampoka momba ny fahafahana taorian' ny taona maro nahandevozan' ny Zanak' i Israely tany Egipta, izany hoe ny fivoahan' ny Zanak' i Israely avy tao Egipta. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe סדר / Seder izay midika hoe "filaminana" izany. Anaovana sakafo sakafo fito ny Sederan' ny Paska.

Amin' ny andro faha-14 amin' ny volana Nisàna no ankalazana ny Sedera ao amin' ny Tanin' i Israely, fa any amin' ny Jiosy am-pielezana dia amin' ny faha-14 sy faha-15n' ny volana Nisàna no anaovana izany, araka ny Hagadà[1] novolavolaina nandritra ny taonjato maro. Ao amin' ny Misnà no ahitana ny foibem-panorenana io fomba io. Naka ampahany tamin' ny fomba fanao babilôniana koa izany nandritra ny vanimpotoan' ny Amôraima sy ny Geônima[2], ka nanaovana fandraiketana an-tsoratra nandritra ny Andro Antenatenany sady notovanana tamin' ny hira maro tamin' ny taonjato faha-16. Taty aoriana dia samy manana ny fivoasany azy ny Jiosy siônista sy ny Jiosy kômonista.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Ny Hagadà dia lahatsoratra amin' ny teny hebreo tranainy ampiasaina amin' ny Paska jiosy.
  2. Ny Amôraima (hebreo: אמוראים / Amoraim; tokana: אמורא / Amora) dia ireo manampahaizana momba ny Talmoda fa ny Geônima (hebreo: גאונים / Geonim na Gaonim; tokana: גאון / Gaon) dia ireo manampahefana na raby nanao ny Halakà.








ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Sederan%27_ny_Paska

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy