Content-Length: 97509 | pFad | http://mg.wikipedia.org/wiki/Vatosokay

Vatosokay — Wikipedia Aller au contenu

Vatosokay

Avy amin'i Wikipedia
Vatosokay miseho ivelan' ny tany ao amin' ny tahirin-javaboary ao Torcal de Antequera de Málaga, any Espaina.

Ny vatosokay dia vaton-dilatra, toy ny vatovary (na vatodidy) na vatosanga (na zipsa), mora levona anaty rano, izay ahitana indrindra ny karbônata-na kalsiôma CaCO3, fa koa ny karbônata-na maneziôma MgCO3. Ireo vato misy karibônetra ireo dia manan-danja lehibe ara-jeôlôjia sy ara-toekarena.

Niforona amin' ny tontolo an-dranomasina marivo ny ankamaroan' ny vatosokay. Hita amin' ny faritra midadasika amin' ny tany ny vatosokay, ary matetika no azon' ny ranon' orana levonina amin' ny ampahany kelikely ka mandoaka ny tanim-batosokay. Hita amin' ny toerana misy vatosokay ny ankamaroan' ny lava-bato.

Ampiasaina amin' ny fanamboaran-javatra maro ny vatosokay: atao fitaovana fanorenana, singa tena ilaina amin' ny fanamboarana simenitra, taharo ao amin' ny lafika fototra amin' ny fanamboaran-dalana, anamboarana loko fotsy, ampiasaina amin' ny fanamboarana feta famotsia-nify, akora simika amin' ny famokarana sokay sns. Ny vatosokay no misy ny 30 %n' ny tahirin-tsolika eran-tany.

Matetika misy fôsily ny vatosokay, ary ahazoana fahalalana momba ny tontolo fahiny sy ny fivoaran' ny fiainana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]








ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: http://mg.wikipedia.org/wiki/Vatosokay

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy