Content-Length: 93553 | pFad | http://mg.wikipedia.org/wiki/Nobia

Nobia — Wikipedia Aller au contenu

Nobia

Avy amin'i Wikipedia
I Nobia hatrany Ejipta (avaratra) ka hatrany Sodàna (atsimo)

I Nobia dia faritra maina (tany efitra) ao amin' ny tapany avaratr' i Sodàna sy ny tendrony atsimon' i Egipta izay manamorona an' i Nily. Tamin' ny Andro Taloha dia fanjakana mahaleo tena i Nobia izay nisy mponina miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana. Nifarana tamin' ny taona 1970 ny fitenenana amin' ny fiteny birgidy, izay fitenim-paritra notenenina tao avaratr' i Nyala ao Sodàna, ao Darfora. Ny fiteny nobiana tranainy dia nanoratana ny akamaroan' ny lahatsoratra ara-pivavahana teo anelanelan' ny taonjato faha-8 sy faha-9.

Ny Nobiana

[hanova | hanova ny fango]
Nobiana ao Sodàna

Vondrom-poko ara-pitany any Sodàna ankehitriny sy any amin' ny tapany atsimon' i Ejipta ny Nobiana, izay avy amin' ny mponina voalohany tao amin' ny faritra afovoany amin' ny Lohasahan' i Nily, heverina ho iray amin' ny faritra voalohany nipoiran' ny sivilizasiôna. Manana ny tantarany tamin' ny Andro Taloha, talohan' ny Ejipta nanjakan' ny dinastia nifandimby ny Nobiana. Miteny ny fiteny nobiana, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, izy ireo. Avy any Sodàna ny Nobiana.

Fiteny nobiana

[hanova | hanova ny fango]
Tany efitr' i Nobia

Ny fiteny nobiana dia vondrona fiteny maromaro mifandray, ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana any Ejipta sy Sodàna, ampiasain' ny Nobiana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]








ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: http://mg.wikipedia.org/wiki/Nobia

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy