Fokom-pirenen' i Naftaly

Ny fokom-pirenen' i Naftaly dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely. Tao amin' ny faritr' i Galilea (na Galilea), manamorona ny tapany ambonin' ny ony Jordana (na Jordany) sy ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy) ny taniny. Anisan' ny Fanjakan' i Israely avaratra ny fokom-pirenen' i Naftaly ka lazaina fa anisan' ny fokom-pirenen' i Israely very.

Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

I Naftaly

hanova

I Naftaly na Neftaly (hebreo: (נַפְתָּלִי‬ / Naftali) dia zanaka fahenin' i Jakôba sady zanany faharoa tamin' i Bila mpanompovavin' i Rahely. Ireto ny zanany lahy: Jaziela, Gony, Jezera ary Silema (Genesisy 46:24).

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Naftaly

hanova

Tao amin' ny faritr' i Galilea (na Galilea), manamorona ny tapany ambonin' ny ony Jordana (na Jordany) sy ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy) ny tanin' i Naftaly. Ao andrefany no ahitana ny tanin' i Asera, ao avaratra ny tanin' i Dana ary ao atsimo ny tanin' i Zebolôna (Jôsoa 19:32-39).

Anisan' ny fokom-pirenen' i Israely nanjavona

hanova

Tamin' ny fivakisan' ny fanjakana ho roa dia anisan' ny Fanjakan' i Israely avaratra (na Fanjakan' i Samaria) ny fokom-pirenen' i Naftaly. Araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.29) dia nataon' ny Asiriana sesitany ny mponin' i Naftaly tamin' ny taona 734 tal. J.K. Lazaina fa anisan' ny fokon' i Israely very izy.

Olona anisan' ny fokom-pirenen' i Naftaly

hanova

Araka ny Bokin' i Tôbià dia taranak' i Naftaly i Tôbia. I Ahira, zanaka lahin' i Enana, dia andriandahy taranak' i Naftaly koa.

Jereo koa

hanova
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy