Aller au contenu

Abdallah bin al-Hussein

Avy amin'i Wikipedia
Ny mpanjaka Abdallah I any Jôrdania

I Abdallah bin al-Hussein dia teraka tamin' ny Febroary 1882 tao Meka (any Arabia) ary maty nisy namono tamin' ny 20 Jolay 1951 tao Jerosalema, dia emiran' i Transjôrdania tamin' ny taona 1921 ka hatramin' ny taona 1946, avy eo mpanjakan' i Transjôrdania tamin' ny taona 1946 ka hatramin' ny taona 1949 tamin' ny anaran' i Abdallah I ary farany mpanjakan' i Jôrdania nanomboka tamin' ny taona 1949 ka hatramin' ny nahafatesany. Amin' ny teny arabo izy dia soratana hoe : عبد الله بن الحسين (Abdallah bin al-Hussein) na عبد الله الأول (Abdallah I).

Izy dia zanak' i Hussein ben Ali, sharif tao Meka sy mpanjakan' i Hejaz, izay anisan' ny mpanentana ny fikomian' ny Arabo tamin' ny taona 1916 nanoherana ny Empira Ôtômana. Nandimby azy i Talal zanany lahy.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy