Aller au contenu

Amerika Latina

Avy amin'i Wikipedia
Sarin' ny bolantany maneho ny toerana misy an' i Amerika Latina

I Amerika Latina, amin' ny ankapobeny, dia ny faritr' i Amerika misy ireo firenena manao ny fiteny rômana (fiteny espaniôla, pôrtogey) ho fiteny ôfisialy. I Amerika Latina dia mahafaoka an' i Amerika Hispanika sy nosy Karaiba sasany, ary saika i Amerika Atsimo sy i Amerika Afovoany manontolo. Na dia fiteny rômana aza ny fiteny frantsay dia tsy isan' i Amerika Latina ireo firenena miteny frantsay. Ireo firenenana mahaleotena miteny espaniôla sy pôrtogey ao Amerika no mamorona an' i Amerika Latina, izay atao hoe Iberô-Amerika. I Pôrtô-Rikô, i Beliza, i Haitỳ, ireo Antilia frantsay ary i Goiana frantsay kosa dia matetika tsy isaina ho ao amin' i Amerika Latina.

Ny mponina ao Amerika Latina dia ahitana foko isan-karazany, ifangaroan' ny taranak' ireo vahoaka amerindiana, ny taranak' ireo mpanjana-tany eorôpeana, ireo andevo avy aty Afrika ary ireo mpifindra monina taty aoriana, Italiana, Alemàna, Libanô-Siriana, Japôney, sns, arakaraka ny faritra. Ny fivavahana be mpanaraka indrindra dia ny kristianisma, indrindra ny katôlisisma, izay ifaninanan' ireo fiangonana evanjelika. Ny fivavahana amerindiana sy ny fivavahana afrô-amerikana dia mbola arahin' ny ampahan' ny mponina. I Amerika Latina dia manana velarana mirefy 20 010 600 km2, ka mihoatra ny 3,9 %n' ny velaran' ny tany manontolo izany, ary 13,5 %n' ny valaran' ny tany maina. Tamin' ny taona 2012 dia nisy mponina 600 tapitrisa i Amerika Latina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Ireo kôntinenta

[hanova | hanova ny fango]

Faritra ao Amerika

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy