Aller au contenu

Apôlinarisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny apôlinarisma dia fampianarana mikasika an' i Jesoa Kristy izay ilazana fa tsy manana fanahin' olombelona i Jesoa fa fanahin' Andriamanitra, dia ilay Teny (Logos) izay niditra tao amin' ny vatan' olombelona nisolo ny fanahy maha-olombelona. Ny vatan' i Kristy dia vatana ara-panahy sady nomem-boninahitra, ary tsy manana natiora roa ao amina persôna tokana i Jesoa. I Apôlinariôsy (na Apôlinario na Apôlinera), eveka tany Laôdikea tao Siria, no nanolotra izany fampianarana izany.

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe apôlinarisma dia fanagasiana teny avy amin' ny anaran' ilay tompon' ny fampianarana, dia i Apôlinariôsy (latina: Apollinaris; grika: Άπολλινάριος / Apollinarios).

Ny fampianaran' i Apôlinariôsy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana ôfisialy dia mampianatra fa manana natiora roa i Kristy ka ny voalohany natioran' Andriamanitra fa ny faharoa natioran' olombelona ao amin' ny persôna tokana. Ny apôlinarisma kosa mandà ny fisian' ny fanahin' olombelona ao amin' i Kristy sady mihevitra an' i Kristy ho ilay hany Teny tonga nofo ao amin' ny vatan' olombelona. Azo fintinina amin' izao ny fampianaran' ny apôlinarisma: "Tokana ny natioran' Andriamanitra Teny tonga nofo" (grika: μία φύσις τοῦ θεοῦ λόγου σεσαρκωμένη / mía phúsis toû theoû lógou sesarkōménē). Izany rehetra izany no fomba hitan' i Apôlinariôsy hanoherany ny arianisma izay tsy manao an' i Jesoa ho Andriamanitra.

Fanamelohana ny apôlinarisma

[hanova | hanova ny fango]

Nohelohin' ny sinôda telo natao tao Rôma teo ambany fahefan' ny papa Damaso I ny fampianaran' i Apôlinariôsy, dia ny sinôda natao tamin' ny taona 374/376 izay nanameloka an' i Apôlinariôsy sy i Timôteo izay nilaza fa tsy manana fanahin' olombelona i Jesoa Kristy, fa ny Tenin' Andriamanitra no manetsika azy; sy ny sinôda tamin' ny taona 377 izay nanameloka ny Apôlinarista sy Markelianista, izay sampan' ny Gnôstika; ary ny sinôda tamin' ny taona 378 izay nanamafy ny fanamelohana an' i Ariosy[1], i Sabelio[2], i Eonômio[3] ary i Fôtinôsy[4]. Tamin' ny taona 381 dia nohamafisina tao amin' ny Kônsilin' i Kônstantinôpôlisy ny fanamelohana ny apôlinarisma.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Nilaza i Ario na Ariosy fa ny Ray ihany no Andriamanitra fa tsy ny Zanaka na ny Fanahy Masina. (Jereo: Arianisma)
  2. Nampianatra i Sabelio fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia fomba fiseho telon' ilay Andriamanitra tokana fa tsy persôna telon' Andriamanitra. (Jereo: Sabelianisma)
  3. Nampianatra i Eonomio fa tsy misy fotoviam-pomba (natiora) eo amin' ny Ray sy ny Zanaka.
  4. Mandà ny fahatongavan' i Kristy i Fotino.
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy