Eokaristia
Fiseho
Ny Eokaristia dia fomba manana ny maha izy azy ao amin' ny fivavahana kristiana izay anamasinan' ny mpanao raharaham-piangonana (pretra na pastora sns.) ny mofo ("tenan' i Jesoa") sy ny divay ("ran' i Jesoa") ary isotroana sy ihinanan' ny mpivavaka izany araka ny nandidian' i Jesoa Kristy tamin' ny niarahany misakafo farany tamin' ireo mpianany manao hoe: "Izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy". Ny Katôlika malagasy no mampiasa io teny io ka mitovitovy votoantin-javatra tondroina amin' ny teny hoe Fanasan' ny Tompo izay ampiasain' ny Prôtestanta malagasy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Ny sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika:
- Sakramentan' ny batemy
- Sakramentan' ny Eokaristia
- Sakramentan' ny kônfirmasiôna
- Sakramentan' ny fivalozana sy ny fampihavanana
- Sakramentan' ny fanosorana ny marary
- Sakramentan' ny fanambadiana
- Ôrdinasiôna