Famantaranandro
Ny famantaranandro dia fitaovana manondro sy enti-mandrefy ny fotoana izay matetika milaza ny ora sy ny minitra ary ny segondra amin' ny fomba tsy tapaka.
Ny famantaranandro mekanika dia misy sahazany (toy ny fanjaitra) izay mikisaka manondro ny ora sy ny minitra ary ny segondra mifanarakaraka (misy araka izany ny sahazakely sy ny sahazabe) ary manana tava ipetahan' ny tarehimarika (arabo na rômana) manondro ny ora (1 ka hatramin' ny 12, matetika elanelanin-teboka efatra isaky ny isa roa mifanarakarana mba hanondro ny minitra na ny segondra; indraindray koa manomboka amin' ny 1 ka miafara amin' ny 24, nefa mahalana izany). Mety hitambatra ivo iray ny sahazany telo, na mety hitokana ny an' ny segondra.
Ny famantaranandro elektrônika dia matetika tsy mametraka eo amin' ny tavany afa-tsy ny tarehimarika manondro ny ora sy ny minitra (miampy ny segondra indraindray) elanelanin-teboka roa.
Misy amin' ny famantaranandro ny apetaka amin' ny rindrin-trano, misy ny apetraka ambony latabatra, ary misy ny atao amin' ny haton-tanana.