Aller au contenu

Fanambaràna tamin' i Maria ny hahaterahan' i Jesoa

Avy amin'i Wikipedia
Ny fanambaràna ny hahaterahane' i Jesoa, sary nataon' i Eustache Le Sueur (1650).

Ny Fanambaràna tamin' i Maria ny hahaterahan' i Jesoa, araka ny Evanjelin' i Lioka, dia ny fanambaràn' ny arkanjely Gabriela tamin' i Maria fa hitoe-jaza sy hiteraka zazalahy amin' ny fiteraham-birijiny izy ary ho renin' i Jesoa Kristy, ilay Mesia kristiana sy Zanak' Andriamanitra, izay manamarika ny fahatongavana ho nofo. Nilaza tamin' i Maria i Gabriela mba hanao ny anaran' ny zanany lahy hoe Jesoa. Atao hoe annuntiatio ("fanambaràna") izany amin' ny teny latina fa Ο Ευαγγελισμός της Θεοτόκου / O Euangelismos tês Theotokou kosa amin' ny teny grika. Araka ny Lioka 1:26 dia nitranga "tamin' ny volana fahenina" nitondran' i Elizabeta vohoka an’ i Joany Mpanao Batisa ilay Fanambàrana. Kristiana maro no mankalaza an' izany zava-nitranga izany amin' ny Fetin' ny Fanambaràna amin' ny 25 Marsa, tombanana sivy volana feno alohan' ny Krismasy na Noely, izay fankalazana ny fahaterahan' i Jesoa.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy