Aller au contenu

Faritanin' i Khorasan-e-Jonubi

Avy amin'i Wikipedia
Faritanin' i Khorasan Atsimo

Ny Faritanin' i Khorasan Atsimo na Faritanin' i Khorasan-e-Jonubi dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna, ao amin' ny tapany atsinanan' i Iràna. I Birjand no renivohitr' ilay ny faritany.

Tamin' ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2006, ity faritany ity dia nisy mponina 600 568 ao amin' ny tokantrano 159 255. Ny fanisam-bahoaka manaraka tamin' ny taona 2011 dia naitana mponina 662 534 tao anatin' ny tokantrano 183 114. Tamin' ny taona 2014 dia napetraka tao amin' ny Faritra faha-5 izy. Tamin' ny fanisam-bahoaka farany indrindra tamin' ny taona 2016, ny mponina tao amin' ny Faritanin' i Khorasan Atsimo dia nitombo ho 768 898 tao amin' ny tokantrano 223 984.

Ity faritany vaovao ity, dia ilay Quhistan taloha izay tafiditra ao anatin' i Khorasan Lehibe tamin' ny drafitra fitantanana iraniana. Na izany aza, i Qohistan ara-tantara dia faritra nanana ny maha izy azy miavaka, manana kolontsaina, tantara, tontolo iainana ary tontolon-javaboary miavaka.

I Khorasan Atsimo dia iray amin' ny faritany telo noforonina taorian' ny fizaràna an' i Khorasan tamin' ny taona 2004. Raha tany am-piandohana, ny "Khorasan Atsimo" vao noforonina dia tsy nahitana afa-tsy i Kôntean' i Birjand sy ny kôntea vaovao sasany nisaraka tamin' io kôntea io (izany hoe i Nehbandan sy i Darmian ary i Sarbisheh), tamin' ny taona manaraka an' io, dia nampidirina tao Khorasan Atsimo ny tanàna avaratra sy andrefana ary ny fizaràn-tany rehetra tao Quhistan taloha (toa an' i Qaen, i Ferdows ary i Tabas), izay misy distrika 11 hatramin'ny taona 2016.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy