Aller au contenu

Fitaterana an-dranomasina

Avy amin'i Wikipedia
Sambo miantsona eo an-tseranan-tsambo

Ny fitaterana an-dranomasina dia endrika isehoan' ny fitaterana izay tanterahina amin' ny fitaovam-pitaterana afaka mivoivoy eny an-dranomasina na an-dranomasimbe. Io no karazam-pitaterana io no misahana ny ankabeazan' ny fitaterana ny entam-barotra. Isan' ny fitaovam-pitaterana an-dranomasina ny lakana sy ny botry ary ny sambo.

Efa tsy be mpanao ankehitriny ny ftaterana olona an-dranomasina noho ny fandrosoan' ny fitaterana an' habakabaka. Tsy misy tavela amin' izany raha tsy ao amin' ny sehatra roa, dia ny fiampitana fohy sy ny fitsangantsanganana an-dranomasina. Manampy izany ny fandehanan-davitra anaovana fikarohana ara-tsiasa na anaovana fanatanjahan-tena, izay tsy tena mahakasika ny atao hoe fitaterana.

Ny sehatra iraisam-pirenena no tena ampiasana ny fitaterana an-dranomasina, nefa fahita ihany koa ny fitaterana an-dranomasina mampifandray toerana roa na maro ao amin' ny morontsiraky ny firenena iray na eo anelanelan' ny tangoro-nosin' ny firenena iray na amin' ny tany lehibe sy ny nosy iray na maro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy