Aller au contenu

Franka (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Franka dia vahoaka jermanika niseho tamin' ny endrika kônfederasiôna teo amin' ny sisin' ny Empira Rômana nandritra ny Fanafihana Lehibe. Tamin' ny taonjato faha-5, tamin' ny fotoana nizarazaran' ny Empira Rômana, ny ampahany tamin' izy ireo dia nandresy ny tapany avaratr' i Galia Rômana, nanorim-ponenana tao, nanitatra ny faritra misy azy mianatsimo ary noho izany dia nanana anjara toerana lehibe tamin' ny faritra hatao hoe Frantsa, izay nandray io anarana io ho azy, ary koa i Nederlandy, i Belzika, i Loksemborga ary i Alemaina, tamin' ny fananganana satan' andriana izay hitantana ireo firenena ireo tamin' ny Andro Antenatenany.

Ny anaran' ny Franka koa no niandohan' ny anaran-toerana maro any Alemaina, ka ny malaza indrindra dia ny tanànan' i Frankfurt am Main sy i Franconia (Franken amin' ny teny alemàna), faritra any amin' ny tapany avaratr' i Bavaria (frantsay: Bavière).

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy