Aller au contenu

Hôlandy

Avy amin'i Wikipedia
I Hôlandy Avaratra sy i Hôlandy Atsimo (volom-boasary) miaraka amin' i Nederlandy manontolo

I Hôlandy dia faritra ara-jeôgrafia, faritany taloha tao amin' ny morontsiraka andrefana any Nederlandy izay nozaraina ho faritany roa miavaka tamin' ny taona 1840: dia i Hôlandy Avaratra sy i Hôlandy Atsimo. Atao hoe Holland izy amin' ny teny neerlandey.

Ny anaran' io faritra manan-tantara io dia avy amin' ny teny nederlandey antenatenany hoe Holtland izay midika hoe "tany misy ala" (avy amin' ny hoe holt: "hazo, ala", sy land: "tany").

Noho ny maha zava-dehibe ara-tantara an' ity farany, ny teny hoe "Hôlandy" dia lasa ampiasaina, hanondroana an' i Nederlandy manontolo, na dia tsy ôfisialy aza io anarana io. Tamin' ny taona 1806, ny Repoblika Bataviana dia niova ho Fanjakan' i Hôlandy nankinina tamin' i Louis Bonaparte (printsy frantsay lasa mpanjakan' i Hôlandy); io no hany fotoana nampiasana ny teny hoe "Hôlandy" amin' ny fomba ôfisialy hanondroana an' i Nederlandy manontolo.

Tamin' ny alalan' ny fanapahan-kevitra noraisina tamin' ny Ôktôbra 2019, dia nanova ny anarana ampiasain' ny andrim-panjakana ny manampahefana neerlandey: nanomboka tamin' ny 1 Janoary 2020, ny ministera, ny masoivoho, ny oniversite, ny kôlejy na ny kaominina dia tsy misy marika misy soratra "Hôlandy" intsony fa ny hoe "Nederlandy"; ary ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin' ilay firenena dia mampiasa ny teny hoe Nederlandy nanomboka tamin' izay.

Hôlandey no iantsoana ny mponina ao.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy