Aller au contenu

Hezekia

Avy amin'i Wikipedia

I Hezekia na Ezekiasa dia mpanjaka tao amin' ny Fanjakan' i Jodà nandritra ny taona 715-687 tal. J.K. Izy no nandimby an' i Ahaza (na Akaza).

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

Ny Baiboly hebreo (Tanakh) dia manoratra ilay anarana hoe חזקיה / Hizqiyah, ny Septanta (grika) dia miantso azy hoe Εζεκίας / Ézekias, ary ny Volgata (latina) manoratra hoe Ezechias. Ny Baiboly prôtestanta malagasy dia manoratra hoe Hezekia fa ny Baiboly katôlika amin'ny teny malagasy kosa dia ahitana ny hoe Ezekiasa. Io anarana io dia midika hoe "mampahery Andriamanitra".

Ny tantarany

[hanova | hanova ny fango]

Ny zava-nitranga tamin' ny andron' i Hezekia dia ny nanafihan' ny Asiriana an' i Jodà tamin' ny taona 701 tal. J.K. na dia teo aza ny fikambanany tamin' i Egipta mba hanohitra ny herin' i Asiria. Taorian' io dia niverina ny fahefan' ny Asiriana tamin' ny Jodà ka nampandoaviny onitra be i Hezekia, araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 18.13-16).

Nanafika an' i Jodà indray i Asiria tamin' ny taona 690 tal. J.K. nefa tsy nahomby izy ireo fa niharam-pahavoazana. Araka ny voasoratra ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka ihany (2Mpanj. 19.35) dia nisy anjely namono ny miaramila asiriana miisa 185 000.

Lazain' ny Baiboly ho mpanavao ny finoana i Hezekia tamin' ny nanapotehany ny alitaran' ny mpanompo sampy sy ny nanafoanany ny fanompoam-pivavahana natao amin' ny andriamanitry ny isan-tanana. Niara-belona tamin' i Hezekia ny mpaminany Isaia (na Izaia).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy