Aller au contenu

Lamprôita

Avy amin'i Wikipedia
Lamprôita

Ny lamprôite dia vato magmatika avy amin' ny fipoahan' ny afotroa avy amin' ny sosona ambony amin' ny tany be pôtasiôma, miaraka amin' ny sanidinina sy/na leokita (na leosita), ary koa eladrano (mika) flôgôpitika mainty. Manana CaO sy Al2O3 ary Na2O ambany izy, K2O/Al2O3 ambony, MgO antonony, ary betsaka singa tsy mifanaraka.

Miparitaka ara-jeôgrafika ny lamprôita nefa tsy firy ny habetsany. Ny lamprôita dia hita any amin' ny faritra samy hafa taona, manomboka amin' ny Arkhaeana any Aostralia Andrefana, mankany amin' ny Paleôzôika sy Mezôzôika any atsimo amin' i Espaina. Miovaova be ihany ny taonany, manomboka amin' ny Prôterôzôika ka hatramin' ny Pleistôsenina, ny zandriny indrindra fantatra amin' ny ohatra avy any Gaussberg any Antarktika dia 56 000 ± 5 000 taona.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy