Aller au contenu

Siisma

Avy amin'i Wikipedia
Toerana masina ho an' ny silamo siita ny fasan' i Imam Al-Hussein ibn Ali ao Karbala, Iràka.

Ny siisma dia sampan' ny finoana silamo izay manaiky fa i Ali sy ny taranany no mpandimby ny mpaminany Mohamady. Ny teny hoe siisma na siita dia avy amin' ny teny arabo hoe شيعة‎ / Shīʿah izay avy amin' ny andian-teny arabo hoe Shīʿatu ʿAlī midika hoe "mpanara-dia an' i Ali".

Tantaran' ny fisarahana

[hanova | hanova ny fango]

I Ali, izay zanak' olo-mpiray tam-po amin' i Mohamady sady vinantolahiny, no kalifa fahefatra (taorian' i Abu Bakr sy Omar ary Othman). Nanomboka tamin' ny fahafatesan' ilay mpaminany (tamin' ny taona 632) sy ny fanendrena an' i Abu Bakr handimby azy no niseho ny tsy fitovian-kevitra voalohany teo anivon' ny samy Mozilmana, satria nisy nitaky ny maha mpandova ara-dalàna ny mpaminany azy i Ali. Nihamafy ny fifandirana tamin' ny taona 644, tamin' ny fahafatesan' ny kalifa faharoa Omar, satria i Othman no voafidy ho kalifa fa tsy i Ali. Nisy namono i Othman ka tamin' ny andro namonoana azy mihitsy, tamin' ny Jona 656, dia nambara ho kalifa fahefatra tao Medina i Ali.

Ny tsy fitovian-kevitra momba ny foto-kevitra ara-pôlitikan' ny fivavahana silamo, ary indrindra momba ny fomba fifandimbiasan' ny kalifa, no nahatonga ny mpanohana an' i Ali hiray saina. Niray saina izy ireo amin' ny fanohanany an' i Ali ho mpitarika ny fianakaviambe mozilmana (Umma), sy ny fanoherany ireo izay nikomy taminy - toa an' i Mu'awiyah (mpanorina ny dinastian' ny Omeiada) sy ny Karijita. Taorian' ny famonoana an' i Ali tamin' ny Janoary 661 dia noheverin' ny mpomba azy ho kalifa mpandimby azy ara-dalàna ny zanany lahy.

Ny siisma maneran-tany

[hanova | hanova ny fango]

Ny Siita dia 10 % hatramin' ny 15 % n' ny vahoaka miozolmana maneran-tany, ka ny ankamaroany dia ao Iràna sy Iràka ary ao Bareina. Tsy toy ny sonisma, sampana lehiben' ny silamo, ny siita dia manana mpitondra fivavahana ahitana ambaratongam-pitondrana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy