Aller au contenu

Tesalônika

Avy amin'i Wikipedia
I Tesalônika ankehitriny

I Tesalônika dia tanàna ao Grisia izay renivohitry ny distrikan' i Tesalônika akehitriny, miorina ao amin' ny sisin' ny Helodrano Termaîka. Renivohitry ny sisin-tanin' i Makedônia afovoany ao amin' i Makedônia grika io tanàna io amin' izao fotoana izao sady diôsezy itsinjaram-pahefan' i Makedônia-Traka.

Amin' ny teny grika dia atao hoe Θεσσαλονίκη / Thessalonikê (na Thessalonitsi amin' ny fanononana grika vaovao) na Σαλονίκη / Salonikê (na Salonitsi amin' ny fanononana grika vaovao) io tanàna io. Amin' ny teny slava izy dia atao hoe Солун / Solun, amin' ny teny jodeô-espaniôla (fiteny ladinô) dia סלוניקה / Salonika, ary amin' ny teny romaniana dia Sãruna. Amin' ny teny torka izy dia atao hoe Selanik.

Vanim-potoana helenistika

[hanova | hanova ny fango]

I Tesalônika dia naorin' i Kasandra avy any Makedônia tamin' ny taona 315 tal. J.K. ary nomena izany anarana izany ho voninahitry ny vadiny atao hoe Tesalônika (grika: Θεσσαλονικη / Thessalonikê) izay notolorany an' ilay tanàna ho antoky ny fitiavany azy. Ny anaran' i Tesalônika (grika: Θεσσαλονικη), zanak' i Filipo II avy any Makedônia sy anabavin' i Aleksandra Lehibe tsy iray reny aminy, dia avy amin' ny fanakambanana ny teny hoe Θεσσαλών / Thessalôn ("Tesaliana") sy ny hoe νίκη / nikê ("fandresena"), ho fahatsiarovana ny fandresen' ny Makedôniana ny mponin' i Fôkisy (grika: Φωκίς / Phôkís) tamin' ny fanampian' ny Tesaliana (mponin' i Tesalia; grika: Θεσσαλία / Thessalía).

Vanim-potoana rômana

[hanova | hanova ny fango]

Taorian' ny fanitaram-panjakana nataon' ny Rômana dia nanjary renivohitry ny faritanin' i Makedônia i Tesalônika. Nanamboatra ny lalana Egnatia mampitohy an' i Dirakioma (latina: Dyrrachium) amin' i Bizantioma (na Bizansa; latina: Byzantium) ny Rômana ka nampiroborobo ny fandrosoan' ilay tanàna izany satria ny mpanao raharaham-barotra mandehandeha dia tsy maintsy mandalo eo. Tamin' ny taona 50 dia nitory ny fivavahana kristiana ao Tesalônika i Paoly ka maro ny Tesalônisiana (na Tesalôniana) niova finoana ho kristiana. Nanoratan' i Paoly epistily manokana ny Kristiana tao Tesalônika.

Taty aoriana dia nisafidy ny honina ao Tesalônika ny emperora Galerio (latina: Galerius) ary nanamboatra lapa sy tranom-panjakana maro. Nanenjika ny fivavahana kristiana izy ka tamin' izany no namonoany an' i Demetriôsy (grika: Δημήτριος / Dêmêtrios) ho faty (izay lasa Md Demetriôsy ankehitriny sady mpiahy sy mpiaro ny tanànan' i Tesalônika).

Tamin' ny taona 322 I Kônstantino I (latina: Constantinus) dia nanomboka nanamboatra ny manda fiarovana sy ny serana-tsambo izay mandray anjara amin' ny fampandrosoana ny fiharian-karen' ilay tanàna. Ny fanorenana an' i Kônstantinôpôlisy sy ny fivangongoan' ny fahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana vokatr' izany dia nahatonga an' i Tesalônika ho tsy ivontoerana, tsy araka ny maha ivo ara-jeôgrafia azy. Tamin' ny taona 390 dia nampandringana ny mponina tao Tesalônika izay nokomy ny emperora Teôdôsio I (latina: Theodosius) ka teo anelanelan' ny 7 000 sy 10 000 no maty.

Nanomboka tamin' ny taonjato manaraka dia lasa renivohitry ny prefektioran' i Ilirikoma (latina: Illyricum), izay fari-piadidiana midadasika tao amin' ny Empira Rômana nahafaoka ny Saikanosy Balkanika saika manontolo, i Tesalônika. Ny fandraisan' ny mponinina trakiana mpifanolo-bodirindrina amin' i Tesalônika dia niteraka ny fisian' ny vahoaka vitsy anisa Valâka ankehitriny, fa ny fandraisan' ny ankamaroan' ny mponina ny fivavahana kristiana lasa aloha kosa dia nahatonga an' i Tesalônika hiditra ao amin' ny sivilizasiôna bizantina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy