Aller au contenu

Alborz

Avy amin'i Wikipedia
Alborz
Setroka mivoka avy amin' ny tendrombohitra Damavand sy solifara (miloko mavomavo)

I Alborz na Elburz dia tandavan-tendrombohitra any avaratr' i Iràna mamakivaky ny morontsiraka atsimon' ny Ranomasina Kaspiana. Ity tandavan-tendrombohitra  ity, izay manana halava mirefy 1 000 km eo ho eo, dia fetra avaratra amin’ ny Lembalemba Iraniana. Manodidina ny 1 500 m ny salan-kaavony; ny tampony avo indrindra dia ilay afotroa matory atao hoe Damavand (na Demavend), izay mahatratra 5 610 m.

Sarintany maneho an' i Alborz

I Alborz dia sakana tery nefa tena misongadina eo anelanelan' ny taniefitra amin' ny lembalemba avo anatiny any atsimo sy ny lemaka lonaka maro manamorona ny Ranomasina Kaspiana any avaratra. Tsy afaka miampita ity tandavan-tendrombohitra ity ny rahona miforona eo ambonin’ io ranomasina io. Ny tanànan' i Rasht, akaikin' ny morontsirak' i Kaspiana, dia ilatsahan’ orana mihoatra ny 1 200 mm isan-taona, raha toa kosa i Teheran, izay 115 km miala ny ranomasina, izay miorina eo amin' ny tehezana atsimon' ny Alborz, dia tsy mahazo orana afa-tsy 210 mm isan-taona.

Maina be ny ilany atsimon’ ilay tandavan-tendrombohitra ary saika tsy misy zavamaniry akory, fa ny ilany avaratra kosa dia rakotra ala matevina sy zavamaniry maitso.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy