Aller au contenu

Darfora

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tanin' i Darfora tamin' ny taona 2011.

I Darfora (frantsay: Darfour, anglisy: Darfur) dia faritra ao andrefan' i Sodàna, izay mivelatra ao Sahara sy Sahely atsimon' i Sahara. Miozolmana ny mponina ao. Ahitana oranioma sy varahina betsaka ny ao Darfora. Atao hoe دار فور / Dār al-Fūr, izay midika hoe "tranon' i Fora" na "tanin' ny Fora" izy amin' ny teny arabo. Ny Fora dia vahoaka ao Afrika Atsinanana izay monina indrindra ao Darfora, nefa ahitana azy ireo koa ny ao Tsady sy ao Ejipta. Raha ara-pandraharaham-pitondrana dia mizara ho fanjakana dimy i Darfora nanomboka tamin' ny taona 2012, dia i Darfora Afovoany, i Darfora Atsimo, i Darfora Andrefana ary i Darfora Atsinanana. Nanomboka tamin' ny taona 2003 dia sehatry ny ady an-trano ny faritr' i Darfora, izay niteraka kirizy teo amin' ny fiainan' ny mponina.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy