Aller au contenu

Krimea

Avy amin'i Wikipedia
I Krimea jerena avy eny amin' ny zanabolana

I Krimea na Saikanosy Krimea na Saikanosy Krimeana dia saikinosy ao atsimon' i  Okraina, izay miroso mankao amin' ny Ranomasina Mainty. Avy amin' ny teny tataran' i Krimea hoe Qırım izay midika hoe "havoanako" (qir "havoana", ım "-ko"), izay atao amin' ny teny rosiana hoe Крым / Krym, sy amin' ny teny okrainiana hoe Крим / Krym.

Mampalaza ny Saikanosy Krimea ny fananany toetany pôntika izay mitovitovy amin' ny toetany mediteraneana, ny tanim-boalobony, ny tany fambolena hazo fihinam-boa, ny toerana arkeôlôjika, ary ny toeram-pialan-tsasatra izay misy toeram-pialan-tsasatra amoron-dranomasina toa an' i Theodosia, i Sudak, i Alouchta ary i Yalta, izay nanambaràna amin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1945 ny fizaràna an' i Eorôpa (izay efa notapahina tamin' ny Fihaonamben' ny Firenena mpiara-dia) teo amin' i Joseph Stalin (Firaisana Sôvietika) sy i Winston Churchill (Fanjakana Mitambatra).

Malaza noho ny fisian' ny tobim-pamaharana an-dranomasina i Sebastopol (na Sevastopol) naorin' ny emperora vavy Catherine II tamin' ny taona 1783, izay mampiantrano ny "Andian-tsambo mpiadin' ny Ranomasina Mainty" an' ny tafika an-dranomasia rosiana. I Simferopol no renivohitr' i Krimea nanomboka tamin' ny taona 1995.

Mifanandrify amin' ny faritra nisy an' i Tauride taloha i Krimea izay ampahany amin' ny tontolo grika, lasa ambany fahefan' ny Rômana avy eo Bizantina, tamin' ny Andro Taloha hatramin' ny taonjato faha-13, sady nifandray amin' ny any avaratra amin' ny Vahoakan' ny Fatrana (Kimeriana, Skitiana, Gôty, Môngôly, Vahoaka Torkika, …) ka nifandray tamin' ny Empira Ôtômana tamin' ny taonjato faha-15, ary tamin' ny Empira Rosiana tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-18; avy eo tamin' ny Firaisana Sôvietika tamin' ny taona 1922. Tao amin' ity farany ity i Krimea dia lasa repoblika sôsialista sôvietika mizaka tena, avy eo lasa ôblasta tao amin' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Rosia. Tamin' ny fiafaran' ny Ady Lehibe Faharoa dia natao sesitany ny Tataran' i Krimea.

Ny tanànan' i Sevastopol dia lasa mizaka tena avy amin' ny sisa amin' i Krimea tamin' ny taona 1948. Tamin' ny taona 1954 i Krimea dia nakambana tamin' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina (izay tao amin' ny Firaisana Sôvietika tamin' izany fotoana izany). Tamin' ny taona 1991 i Krimea dia nahazo ny satan' ny Repoblika Mizaka Tenan' i Krimea tao Okraina mahaleo tena sy i Sevastopol izay lasa tanàna manana sata manokana.

Tamin' ny volana Marsa 2014, tamin' ny nakan' i Rosia an' i Krimea hikambana aminy, ny Anteniniera krimeana dia nampanaovin' i Rosia fitsapan-kevi-bahoaka, satria tsy nanaiky ny mpitondra vonjimaika tao Kiev, izay tsy nanaiky koa ilay fitsapan-kevi-bahoaka, dia nanambara ny fisarahan' ny Repoblika Mizaka Tenan' i Krimea amin' i Okraina ary avy eo ny fikambanany amin' ny Federasiônan' i Rosia. Lasa "tanàn-dehibe federaly manana ny maha izy azy" fahatelo ao Rosia i Sevastopol, toa an’ i Môskoa sy i Sankt-Peterburg: tsy miakina amin' i Krimea intsony izany izy. I Okraina, izay tohanan' ny firenena tandrefana sy firenena hafa, dia tsy manaiky izany fitsapan-kevi-bahoaka izany ary manohy ny fitakiany an' i Krimea manontolo.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy